Andriamanitra Avo

Toa tsy ho ela dia ho foana izao tontolo izao

Soa ihany aho fa nihaona sy nahalala anao

 Fa teny amoron-kady ny antsana no tazana

Nitodika aho nitady, tsy sandry ihantsampazana

 

Ny manodidina ahy toa maona sy pokaty

Ny hatsaram-panahy nandositra sa maty

Na ny fitserana aza lasa nandao koa ny fo

Tsisy teny ahalaza ny alaheloko

 

Indrisy ny fitiavan-tena, Ny loharanon’ny maloto

Tsy mety ritra tsy hay fefena, Ka lasa rano fisotro

Tsy misy atahorana, Hitsakitsahina daholo

Nahilika nodorana, Ny Fahendren’ny Ntaolo

 

Fa tonga ianao nivatsy finoana sy fitiavana

Handresy ireo ratsy hampiray, hampihavana

Ka ny fitiavana no hasetriko ny sompatra

Ny manodidina ahy ny fony iriko hisokatra

Fa tsisy lalan-tsarotra, Na fitsapana mety handavo

Fa ao hitsinjo hanavotra, ANDRIAMANITRA AVO !

 

Andrianabela Rakotobe (Dadah)

Image Hosted by ImageShack.us

Créer un site gratuit avec e-monsite - Signaler un contenu illicite sur ce site