Vola fitopolo

Vola fitopolo sisa teo an-tànany ambin' ny "davansy" tamin'ny karamany...

fa maro moa ny ankizy, ka betsaka izaitsizy ny vola lany taminy...

tao ny vary laniny, tao ny vidim-boky, ny sisa sy ny sisa tsy hainy hotantaraina, tsy hary ho voatanisa,

Nefa koa ny asa, tsy manahoana loatra: mpandahadohavavy, tsy afaka manoatra...

Ka vola fitopolo sisa teo an-tànany ambin' ny "davansy" tamin' ny karamany...

 "Nefa rahampitso dia krismasy, k'ireto ankizy, hoy izy, sao mangasihasy, raha toa ka tsy mba manana kilalao an-tànana...

Ka 'ndeha mba hojerena aloha izay eny an-tsena...

" Nefa fitopolo sisa teny an-tànany ambin' ny "davansy" tamin'ny karamany.

Izatsy moa no inona ? Ary ireto hoatrinona ? hoy ny teny ataony eny rehetra eny. Mamaly ny mpivarotra: "sivifolo ireny"...

...ireto raha mitambatra, hataoko ariary zato sao heverinao fa dia mamatovato...

" Dia saikatra ny sainy, mangotsoka ny ainy, fa vola fitopolo sisa no eo an-tànany ambin' ny "davansy" tamin'ny karamany...

Nifindra kely indray fa toa nangaihay...

Dia nanontany koa, kanefa, ombieny ombieny nitovy avokoa ny valin-teny reny.

Ka hany hery sisa nampionona ny fo tsy handany vola, fa lafo loatra moa...!

Kanefa dia ahoana raha tonga any an-trano ka hoe mipitrapitra ny ankizy, tsy angano?

Henoiny ny ao avaratra, jereny ny ao atsimo ka milalao farara sy mampandihy tandrimo...

ny azy irery kosa no 'ndreo mangasihasy, nefa rahampitso dia krismasy... 

Niala nenina izy, kanjo tena sarotra fa ambany loatra izato fiady varotra.

Hany hery sisa : somaingisaingy nody Tsy avy hanozon-tena, na koa hiantso tody...

Fa fitopolo mantsy sisa teny an-tanany ambin' ny "davansy" tamin'ny karamany ...

 

RADO 12 Dec 1971



Image Hosted by ImageShack.us

Créer un site gratuit avec e-monsite - Signaler un contenu illicite sur ce site

×